MP3 : Avelao

Ecouter ce morceau
Titre : Avelao [Ajouter ce morceau à mon blog]
Année : 2008
Paroles :
A V E L A O

Naleoko ihany tsy nisy ianao
Toy zay hanan-dratsy aho
Fa ny antsika anie efa ela be
Hadinoko sahady fa nandratra ahy

Naleoko ihany olom-pantatro ianao
Arahaba dia vita
Ankehitriny lasa adin-tsaina ho ahy
Irony zava-bitantsika hatramizay

Avelao (bis) amin'izao fa ho namako ianao
Avelao mihintsy ihany aho f'ho namako ianao

Aza asianao resaka intsony
'Zay vita dia vita
Fa fitiavana madio no atolory
Fa io no nahavoa anay hatramizao

Ny lalanao tsy lalako intsony
Samia mandeha
F'ireny tantara ireny avalony
F'tsy tiako henony intsony, tsy tiako henony intsony.

# Posté le dimanche 20 janvier 2008 09:31

MP3 : Taiza ianao tamin'ny ora nidona

Taiza ianao tamin'ny ora nidona
Ecouter ce morceau
Titre : Taiza ianao tamin'ny ora nidona [Ajouter ce morceau à mon blog]
Année : 2008
Paroles :
TAIZA IANAO TAMIN'NY ORA NIDONA

Taiza ianao tamin'ny ora nidona
No izao vao mba tonga hifona
Izaho aty efa Biby
E! ty foko efa mihidy

Taiza ianao fony aho reraka
No izao vao hibebaka
Izaho tsy tompo hivavahana
K'izara famelana

Ny akanjoko jereo mazana
Misy fofon'olon-kafa
Fandrianako tsapao mafana
Fa vao teo izy no lasa
Fa vao teo izy no lasa
# Posté le dimanche 20 janvier 2008 10:05
Modifié le dimanche 20 janvier 2008 14:09

MP3 : Tanan'i mama

Tanan'i mama
Ecouter ce morceau
Titre : Tanan'i mama [Ajouter ce morceau à mon blog]
Année : 2008
Paroles :
FOR MY MOTHER


TANAN'I MAMA

Jereo ny tanan'ny mama
Tsy sasatra mikarama
Hameloman-janaka
Jereo fa tsy mety lanaka
Manao izao sy izao
Hamalifaliana anao

Jereo ireny tanan'ny reny
Na dia tsy malemilemy
Toa manan-javatra miery
Jereo fa mirehitra hery
Mampitony izay manjo
Jereo fa tanana fo

Lasa, lasa nilefa vetivety
Izay zavatra tsy nety
lasa, lasa nisinda avokoa
Izay mety ho aretin'andoha
Raha ny tanan'i neny
No eny an-kandrinao eny

Jereo ny tanan'ny mama
Fa tsy mba mitamatama
Mandray ity manao iry
Misahan'asa firy firy
Tsy manam-pitsaharana
Tsy mahatsiaro hasasarana
Jereo ireny tanan'i Neny
Mahalala izay omeny
Dia ny soa sy ny tsara
Ary tsy misy diso anjara
Fa na kapoka aza
Samy mahazo izay sahaza

Asa, asa tsy vitan'olon-drery
No iaretany fery
Asa, asa mampitotototo
Nefa ny tanany tsy mety donto
Satria ho an-janany
Ka foiny ny tanany

I reny no nanolo sy namitra
Ary fanafodin-ditra
Mitory fahendrena
Tsy mety ho resim-pahalemena
Mahavita hatrany ny adidy
Tanana tsy voavidy

Asa, asa tsy vitan'olon-drery
No iaretany fery
Asa, asa mampitotototo
Nefa ny tanany tsy mety donto
Satria ho an-janany
Ka foiny ny tanany

# Posté le dimanche 20 janvier 2008 12:05
Modifié le dimanche 20 janvier 2008 13:44

MP3 : Dia nindramiko

Ecouter ce morceau
Titre : Dia nindramiko [Ajouter ce morceau à mon blog]
Année : 2008
Paroles :
DIA NINDRAMIKO

Misy kalo maniditsidina any, mitarika sento sy tomany
Misy sioka malefaka any ho any
vetsovetso tsisy namaly

Dia nindramiko ny hira rehefa tolaka iny
Hiaraka aminy any aho

Misy loko natsidiky ny havana
Namaky habakabaka fa tsy avy
Misy loko natsidiky ny havana
Saingy mba haka anie aho nodifiny

Dia nindramiko ny rahona efa dotra ny masoandro
Hiaraka aminy any aho

Misy tsiny manindrona dia lasa
Tokony hotadidy tsy tsaroana
Misy tsiny voateny tsy kinasa
Tokony ho adino fa tavela

Dia nindramiko ny rivotra handingana ny fefy
Hiaraka aminy aho
# Posté le dimanche 20 janvier 2008 14:40
Modifié le dimanche 20 janvier 2008 14:52